The Madonna of the Streets
Mary's Rosaries

Home Page

Contact Us

Make a Payment, Methods of Payment, Refund and Exchange Policies

Rosaries
subpages:

How to Pray the Rosary
subpages:

Pictures Main Page
subpages:

Curriculum
subpages:

Website Terms of Use

License Agreement

Sitemap


The Work of God's Children

Malagasy Rosary Prayers
This language is also known as 
Malgache, Official Malagasy, and Standard Malagasy.
  This language is spoken by 9,390,000 people in 
Madagascar, including people in Merina, Betsimisaraka, Betsileo, Antandroy, Tanala, and Antaimoro. It is a dialect of Plateau Malagasy, the official language of Madagascar.

See also The Work of God's Children page for the illustrated version of prayers in this language.

RAOZERY / The Holy Rosary

Famantaran’ny Hazofijaliana / The Sign of the Cross / Signum Crucis
+ Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen!


Simbolin'ny Apostoly / The Apostles' Creed

(Version B)

Izaho mino an'Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra,
nahary ny lanitra sy ny tany.

Izaho mino an'i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika;
noforonin'ny Fanahy Masina,
naterak'i Maria Virjiny;
nijaly faha-Pontsy Pilaty,
nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty dia nalevina;
nidina tany ambanin'ny tany;
nitsangan-ko velona tamin'yn andro fahatelo;
niakatra any an-danitra,
mipetraka eo ankavan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty.

Izaho mino ny Fanahy Masina,
ny Eglizy masina Katolika,
ny fiombonan'ny Olomasina,
ny fanalana ny ota,
ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona,
ary ny fiainana mandrakizay.
Amen.

Another version of
Izaho mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha / The Apostles' Creed / Credo

Izaho mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha,
nahary ny lanitra sy ny tany.

Izaho mino an'i Jesoa-Kristy,
Zananilahy tokana Tompontsika Izay
notorontoronina tamin'ny Fanahy Masina,
naterak'i Maria Virjina,

nijaly faha-Pontsy Pilaty,
nohomboana tamin'ny hazofiljaliana,
maty dia nalevina-nidina tamin'ny toeran'ny maty,
nitsangana velona tamin'ny andro fahatelo,
niakatra any an-danitra,
Mipteraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray Tsitoha,
ary ho avy hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina,
ny Eglizy masina Katolika,
ny fiombonan'ny olona masina,
ny famelan-keloka,
ny fitsanganan'ny vatana ho velona,
ary ny fiainana mandrakizay. Amena.


Rainay any an-danitra / Our Father / Pater Noster
Rainay any an-danitra,
 hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny Fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany,
 tahaka ny any an-danitra.
 Omeo anay anio ny haninay isan’andro,
 avelao ny fahotany,
 tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha any amin’ny ratsy. Amen. (im-polo).


Rainay any an-danitra / Our Father / Pater Noster (Version B)
Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao ;
ho tonga anie ny Fanjakanao ;
ho tanteraka anie ny sitraponao ety
an-tany tahaka ny any an-danitra.
 
Omeo anay anio ny haninay isan'andro ;
avelao ny fahotanay,
tahaka ny hamelanay izay nanao ratsy taminay ;
aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin'ny ratsy.
  Amen.

Arahaba, ry Mary / Hail Mary / Ave Maria

Arahaba, ry Mary
feno hasoavana, ny Tompo
ao aminao nohasoavina
noho ny vehivavy rehetra
hianao, ary nosoavina Jeso
nateraky ny kibonao.
  Masina Mary,
Renin'Andriamanitra,
mivavaha ho anay
mpanota, ankehitriny ary
amin'ny andro hahafatesanay.
   Amena.

Another version of
Arahaba ry Maria / Hail Mary / Ave Maria
Arahaba ry Maria feno hasoavana,
ny Tompo ao aminao,
 nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary
nosoavina i Jesoa naloaky ny kibonao.
Masina Maria Renin’Andriamanitra
mivavaha ho any mpanota,
ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay.
Amen. (im-polo).

 
Arahaba ry Maria / Hail Mary / Ave Maria (Version B)
Arahaba ry Maria, feno hasoavana.
Ny Tompo ao aminao.
Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.
Masina Maria, Renin'Andriamanitra,
Mivavaha ho anay mpanota.
Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay.
Amen.

Voninahitra anie / Glory Be / Gloria Patri
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ho soavina mandrakizay anie

Ho soavina mandrakizay anie i Masina Maria Virjiny tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra, Renin’Andriamanitra sy Renintsika.
(Blessed be the Holy and Immaculate Conception of the Most Blessed Virgin Mary, Mother of God and our Mother.)

Ry Jesoako ô / Oh, My Jesus
   Ry Jesoako ô, avelao ny helokay, arovy amin’ny memin’ny afobe izahay, tariho hankany an-danitra ny Fanahy rehetra, fa indrindra ireo izay mila ny famindram-ponao tokoa.

ARAHABA, RY MPANJAKAVAVY! / HAIL, HOLY QUEEN! / Salve Regina
Arahaba ry mpanjakavavy, ry Reny be indrafo, fiainanay, maminay, ary fanandenananay arahaba!
Ianao no antsoinay zanak’I Eva voasesitany, Ianao no hisentosentoanay mitaraina sy mitomany amin’ity lohasahan-dranomaso ity.
   Eny ry mpisolovava anay, ireny masonao feno indrafo ireny mba atodiho aminay. Ary raha afaka amin’ity sesin-tany ity, ataovy mahita an’i Jesoa naloaky ny kibonao izahay. Izany Ry be indrafo.    Izany ry be fitiavana. Izany e, ry Maria virjiny maminay.
[Hail, holy Queen, Mother of Mercy, our life, our sweetness, and our hope. To thee do we cry, poor banished children of Eve. To thee do we send up our sighs mourning and weeping in this valley of tears. Turn then, most gracious advocate, thine eyes of mercy toward us, and after this our exile show us the blessed Fruit of thy womb, Jesus. O clement, O loving, O sweet Virgin Mary.]

Prayer after the Holy Rosary
 Mivavaha ho anay, ry Reny Masin’Andriamanitra,
   
mba ho tonga mendrika ny nampanantenain’i Kristy izahay.
[Pray for us, o Holy Mother of God, That we may be made worthy of the promises of Christ.]


   Mihanta Aminao izahay ry Tompo, mba arotsay ao am-ponay ny Fahasoavanao, ary satria nolazain’ny Anjely ka fantatray fa tonga Nofo I Kristy Zanakao, dia aoka ny nijaliany sy ny nifantsihany mba ho mendrika anay hahazo ny Hasambarana mahavelona mandrakizay. Amen.

[Pour forth, we beseech Thee, O Lord, Thy grace into our hearts that we, to whom the Incarnation of Christ, Your Son, was made known by the message of an angel, may by His Passion and Cross be brought to the glory of His Resurrection, through the same Christ Our Lord. Amen.]

Mistery Raozery / Mysteries of the Rosary (Version B)

Mistery Mahafaly / The Joyful Mysteries
(Tsara hatao Alatsinainy sy Sabotsy) / (Monday and Saturday)

1 - Ny Arkanjely Gabriely miarahaba an'i Maria.
2 - I Masina Maria mamangy an'i Mb Elizabeta.
3 - I Jesoa Kristy teraka anaty tranon'omby.
4- I Jesoa Kristy atolotr'i Masina Maria sy Md Josefa ao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.
5 - I Jesoa Kristy very hateloana, ka hitan'i Masina Maria sy Md Josefa tao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.

Mistery Fahazavana / Luminous Mysteries
(Tsara hatao Alakamisy) / (Thursday)

1 - I Jesoa Kristy atao Batemy ao Jordany
2 - I Jesoa Kristy manova ny rano ho divay eo amin'ny fampakaram-bady any Kana.
3 - I Jesoa Kristy mitory ny Fanjakan'Andriamantira ary miantso ny olona hibebaka.
4 - I Jesoa Kristy miova tarehy any an-tendrombohitra.
5 - I Jesoa Kristy mamorona ny Eokaristia.

Mistery Mampalahelo / Sorrowful Mysteries
(Tsara hatao Talata sy Zoma) / (Tuesday and Friday)

1 - I Jesoa Kristy miady aina fadiranovana tsembon-dra ao anatin'ny tanimbolin'ny Oliva.
2 - I Jesoa Kristy kapohina mafy.
3 - I Jesoa kristy satrohana felhiloha tsilo.
4 - I Jesoa Kristy ampitondraina ny hazofijaliana ka lavo in-telo.
5 - I Jesoa Kristy fantsihana amin'ny hazofijaliana ka miala aina eo.

Mistery Be Voninahitra / Glorious Mysteries
(Tsara hatao Alarovia sy Alahady) / (Wednesday and Sunday)

1 - I Jesoa Kristy mitsangan-ko velona.
2 - I Jesoa Kristy miakatra any an-danitra.
3 - Ny Fanahy Masina midina amin'i Masina Maria sy ny Apostoly.
4 - I Masina Maria ampiakarin'ny Anjely any an-danitra.
5 - I Masina Maria satrohan'ny Trinite Masina satro-boninahitra any an-danitra.

Another version of Meditating on Various Mysteries of the Rosary
FANEHOANA

   Ity Rozerin’i Baiboly Masina Maria Virjiny ity dia misy ireo Mistery 7 sy fandinihana ary vavaka mandritra ny andro fito amin’ny herinandro.

[The Holy Biblical Rosary of the Blessed Virgin Mary consists of 7 Mysteries, of meditation and prayer, one for each of the 7 days of the week.]

Ny mistery tsirairay dia voalahatra araka ny Baiboly : satria amin’ny fitanisana ny Rozery dia tsara ny mandinika ihany koa ny tantara rehetra mikasika ny Famonjena izay lazaina indrindra fa ny « andro alahady dia andron’ny fitsanganan’i Kristy ho velona, sady Pakan’ny Tompo indrindra ihany koa ».

    [It is in a strict chronological order and the single mysteries are in the same order too. It is made in this way so that, reciting the holy Rosary every day, we can meditate on all the history of the Salvation, which reaches its peak on Sunday, the day of Christ’s resurrection, the day of the holy Easter of the Lord in the true sense of the word.]

     Noho izany dia dinihina manaraka ny firafitry ny Baiboly ny momba an’i Jesoa Kristy sy ny Reniny masina (“μακαριουσιν με”: Lc 1, 48) araka izao fandaharana izao:
[Thus, in accordance with a biblical model, focus on our Lord Jesus Christ and on his holy Mother, the Blessed (“μακαριουσιν με”: Lk 1,48) Virgin Mary. For the single days of the week we will have the following Mysteries:]

ALATSINAINY: MISTERIN’NY NAHARIANA IZAO TONTOLO IZAO;
TALATA: MISTERIN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA;
ALAROBIA: MISTERY MAHAFALY;
ALAKAMISY: MISTERIN’NY FAHAZAVANA;
ZOMA: MISTERY MAMPALAHELO;
SABOTSY: MISTERIN’NY FAHANGINAN’ ANDRIAMANITRA;
ALAHADY: MISTERY BE VONINAHITRA.


MONDAY: THE MYSTERIES of the CREATION (6 Meditations);
TUESDAY: THE MISTERIES of the POWER of GOD (6 Meditations);
WEDNESDAY: THE MYSTERIES of the JOY or THE JOYFUL MYSTERIES;
THURSDAY: THE MYSTERIES of the LIGHT;
FRIDAY: THE SORROWFUL MYSTERIES;
SATURDAY: THE MYSTERIES OF THE SILENCE OF GOD (with reference to the Holy Saturday and to the “silence” of the Shabat);
SUNDAY: THE GLORIOUS MYSTERIES.

Marihina fa ity Rozery ity dia tsy azo anesorana mihitsy: 
[ This holy rosary obviously does not replace:]

1. izay misy ny rozery efa nahazatra ny Fiangonana hatrizay, toy ny mistery mahafaly, misterin’ny fahazavana, ny misterymampalahelo ary ny mistery be voninahitra.
[The official Holy Rosary, established from the Church (The Joyful Mysteries - The Mysteries of the Light - The Sorrowful Mysteries - The Glorious Mysteries).]

2. Eo am-pandinihana sy fhainoana ny Tenin’Andriamanitra na fianarana ny Soratra Masina, dia tsara indrindra ny manao tsy an-kijanona io vavaka sy fandinihana ao amin’ny Rozery Masina araka ny Soratra Masina io mba hahafantarana eo amin’ny fiainantsika fa lehibe ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona sy ny fiahiany azy eo am-pitadiavana ny tena Famonjena ; izay tsy azo raha tsy amin’ny fanekena, fanaovana « ENY » amin’Andriamanitra tsy am-pihambahambana sy tahotra fa amin’ny fo tokoa.

[The studying, the meditation and the listening to the Word, to the Holy Scripture.
On the contrary, prayer and meditation with the help of the holy rosary are a continuous reference to the completeness of the Holy Scripture, in order to recognize in our life the greatness of God’s love for mankind and how all the “worry” of God is simply the search for the real Salvation of the man, Salvation he can reach only when he says “YES” to God, i.e. when he opens, totally and without any fear, his heart to Him.]

Amin’ny alalan’ity Rozery masina ity àry dia ny saotra sy dera no hoan’Andriamanitra, ary fanajana tanteraka ho an’i Masina Maria Virjiny sy ny Anjely izay nilaza tamin’i Masindahy Josefa vadiny masina hoe :  « Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria ho vadinao, fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina » (Mt 1, 20).

[With the Holy rosary we praise and thank God and we give the right place, the right veneration--not worship-- to the Blessed Virgin Mary, according to the exhortation of the Angel to her husband Joseph, which is important for all of us: “Do not be afraid to take Mary into your home [as your wife,] because what is conceived in her is from the Holy Spirit(Mt 1,20).]

TSARA HO TSAROANA:
[ABOVE ALL REMEMBER:]

AZA MATAHOTRA!  AZA MATAHOTRA!  AZA MATAHOTRA!
[DO NOT BE AFRAID! DO NOT BE AFRAID! DO NOT BE AFRAID!]

NY VIRJINY MASINA HITONDRA ANAO TOKOA ANY AMIN’I JESOA!
[THE BLESSED VIRGIN WILL GUIDE YOU SAFELY TOWARDS JESUS!  Her whole mission is to bring Jesus to us.]


NY MISTERY MAHAFALY / THE JOYFUL MYSTERIES

( isaky ny Alarobia) / ( Wednesday ):

1.  Ny Arkanjely Gabriely dia mitondra hafatra amin’i Masina Maria fa NY OLONA FAHA-2 AMIN’NY TRINITE MASINA DIA HO TONGA NOFO AO AN-KIBONY rahefa hanaiky Izy./ The Archangel Gabriel gives the Announcement to the Blessed Virgin Mary and, after her “YES”, THE SECOND PERSON OF THE MOST HOLY TRINITY BECOMES INCARNATED IN HER.

2.  I Masina Maria dia mamangy an’i Mb. Elizabeta. / The Blessed Virgin Mary visits the Holy Elizabeth.

3.  JESOA DIA TERAKA AO BETILEHEMA. / JESUS IS BORN IN BETHLEHEM.

4.  I Jesoa dia atolotra ao an-Tempoly. / Jesus is presented in the Temple.

5.  I Kristy very dia hita ao an-Tempoly. / Jesus is found in the Temple.




THE SORROWFUL MYSTERIES

( for Friday ) :

  1. Jesus is praying in the Garden of Gethsemane.

  2. Jesus is being flagellated.

  3. Jesus is being crowned with thorns and is being condemned to death.

  4. Jesus is climbing The Calvary carrying the Cross.

  5. JESUS DIES ON THE CROSS.

NY MISTERIN’NY FAHAZAVANA / THE MYSTERIES of the LIGHT

( isaky ny Alakamisy ) / ( Thursday ) :

1.  Jesoa ataon’i Joany Batista Batemy ao amin’ny onin’ny Jordany – « Nony vita Batemy i Jesoa, dia niala avy teo anty rano niaraka tamin’izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Dia injay nisy feo avy an-danitra nanao hoe : INTY NY ZANAKO MALALAKO IZAY ANKASITRAHAKO INDRINDRA ». (Mt. 3, 16-17).

  1. Jesus is baptized in the river Jordan by John The Baptist. – (Jesus goes to John The Baptist to be baptized. He is not obliged to this baptism of repentance, but He wants to “go down” even more, He wants to be a sinner (but without sin) with sinners. In the moment He goes into the water the Heaven opens up and the Holy Spirit, in dove’s shape, settles on Him and, from Heaven, the voice of the Father proclaims: “This is My Son, the Beloved; My favour rests on Him” – Mt. 3,17).


2.  Jesoa manao ny fahagagana voalohany rahefa niseho tamin’vahoaka tamin’ny fampakaram-bady tao Kana : «  Nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. Jesoa sy ny Mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy : tsy manana divay izy ireo ; Ary hoy iJesoa taminy : Izaho sy ianao moa no inona amin’izany Ravehivavy ?, tsy mbola tonga ny fotoako ; Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo : ATAOVY IZAY REHETRA HO LAZAINY AMINAREO » (Jn. 2, 2-5). Ity Evanjely ity dia maneho amintsika indrindra ny tenin’ilay Reny masina mba hanaraka sy hiaina hatrany ny Tenin’ny Soratra Masina.

Jesus does the first miracle of His public Life at the Cana wedding. – (Jesus is invited, with his Disciples, to a wedding in Cana of Galilee. Since the wine was lacking, Jesus, on his Mother’s pressing request, changes the water into wine. The Gospel, which describes this event, reports the last words of the Madonna handed down from the Holy Scripture which are an always valid warning and exhortation for us: “DO WHATEVER HE TELLS YOU!” – Jn 2, 5).
 
3.  I Jesoa mitory ny hiavian’ny fanjakan’ny Mesia – Ambaran’i Jesoa fa ny fanjakan’Andriamanitra dia efa akaiky ary tsy hahazo izany isika raha tsy miova fo ho tonga madio tahaka ny zazakely.

Jesus announces the advent of the Messianic Kingdom. – (Jesus proclaims that the Kingdom of God is coming, or rather that it is already among us and he affirms that just they who, purifying the heart, become <little> as a child shall enter it).
 
4.  I Jesoa miova tarehy maneho ny famirapiratan’ny Voninahitr’andriamanitra ao aminy any an-tendrombohitr’i Tabor eo anatrehan’i Moizy sy Elia. «  Nitondra an’i Piera sy Joany ary Jakoba i Jesoa hiakatra any an-tendrombohitra mba hivavaka, ary raha mbola nivavaka iyi dia niova ny tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka nyfitafiany ; Ary indro nisy roalahy niresaka taminy dia i Moizy sy Elia izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny handehanany hitory any Jerosalema ny Famonjena tsy maintsy ho tanteraka any ; ary nisy Feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : INTY NO ZANAKO MALALAKO ,HENOY IZY » (Lk. 9, 28-35).

Jesus appears transfigured into his divine Glory on the Mount Tabor with Moses and Elijah. – (Jesus climbs the Mount Tabor with Peter, John and Jacob to pray. Suddenly, He is transfigured into his divine Glory, becoming more shining than the Sun, and close to Him appear Moses and Elijah and with them He discusses his Messianic Mission of Salvation in Jerusalem. The Father again appears to Him and exhorts us: “This is my Son, the Beloved; He enjoys my favour. LISTEN TO HIM!” - Lk. 9, 35).


5.  Jesoa mankalazany Pakan’ny Hebrio miaraka amin’ny Apostoly ao amin’ny Senakla, ary namorona ny Eokaristia Masina. – Teny an-tendrombohitr’i Siona, tao amin’ny Senakla no nakalazin’i Jesoa ny Pakan’ny Jody niaraka tamin’ny Apostoly rahefa avy nanasa ny tongotr’izy ireo Izy, ka nanolotyra azy ireo mofo sy divay, ka nilaza izy fa Vatany sy Rany izany izay hatolotra ho famonjena ny olombelona rehetra : izany no namoronany ny eokaristia Masina.

Jesus, while celebrating Pesach with the Apostles in the Cenacle, institutes the Most Holy Eucharist. – (On the Mount Zion, in the Cenacle, Jesus, while celebrating Pesach with Apostles, after He washed their feet, offers them Bread and Wine, affirming that they are His Body and His Blood, offered in Sacrifice for the Salvation of every human being: that’s the institution of the Most Holy Eucharist).





NY MISTERY BE VONINAHITRA / THE GLORIOUS MYSTERIES

( isaky ny Alahady ) / ( Sunday ) :

1.  JESOA NITSANGAN-KOVELONA. / JESUS RESURRECTS.

2.  JESOA NIAKATRA ANY AN-DANITRA. / JESUS RETURNS TO HEAVEN.

3.  NY FANAY MASINA NIDINA TAMIN’I MASINA MARIA VIRJINY SY NY APOSTOLY NIARA      NIVAVAKA TAO AMIN’NY SENAKLA. / THE HOLY SPIRIT DESCENDS ON THE BLESSED VIRGIN MARY AND THE APOSTLES ASSEMBLED IN PRAYER IN THE CENACLE.

4.  I Masina Maria Verjiny NIAKATRA any An-danitra. / The Blessed Virgin Mary is ASSUMED into Heaven.

5.  I Masina Maria Virjiny nosatrohina satroboninahitra any
     An-danitra ho Mpanjakavavin’ny lanitra sy ny tany. / The Blessed Virgin Mary is CROWNED in Heaven, Queen of Heaven and earth.




  1. Litany of Loreto / LITANIAN’I VIRJINY MASINA

    Tompo ô mamindra fo aminay,

    Tompo ô mamindra fo aminay.

    Kristy ô mamindra fo aminay,

    Kristy ô mamindra fo aminay.

    Tompo ô mamindra fo aminay,

    Tompo ô mamindra fo aminay.

    Kristy henoy izahay,

    Krisry ô henoy izahay.

    Kristy ô ekeo ny fangatahanay,

    Kristy ô ekeo ny fangatahanay

    Andriamanitra Ray any An-danitra,

    Mamindra fo aminay.

    Andriamanitra Zanaka Mpanavotra an’izao tontolo izao,

    Mamindra fo aminay.

    Andriamanitra Fanahy Masina,

    Mamindra fo aminay.

    Andriamanitra tokana olona telo,

    Mamindra fo aminay.

    Masina Maria ô,

    Mivavaha ho anay.

    Ry Reny Masin’Andriamanitra,

    Mivavaha ho anay

    Virjiny lohan’ny verjiny rehetra,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’i Kristy,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’ny fahasoavan’Andriamanitra,

    Mivavaha ho anay.

    Reny madio indrindra…y,

    Mivavaha ho anay.

    Reny virjiny mandrakizay,

    Mivavaha ho anay.

    Reny tsy azon’ny loto,

    Mivavaha ho anay.

    Reny mahatehotia,

    Mivavaha ho anay.

    Reny mahagaga,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’ny torohevitra tsara,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’ny fanalana alatelo,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’ny Nahary,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’ny Mpamonjy,

    Mivavaha ho anay.

    Renin’ny Fiangonana,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny be fahamalinana,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny feno fahendrena,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny mendrika hohajaina,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny mendrika hankalazina,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny mahefa,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny be indrafo,

    Mivavaha ho anay.

    Virjiny mahatoky,

    Mivavaha ho anay.

    Fitaratry ny Fahamasinan’Andriamanitra,

    Mivavaha ho anay.

    Lapan’ny Fahendrena,

    Mivavaha ho anay.

    Fototry ny faharavoanay,

    Mivavaha ho anay.

    Fonenan’ny Fanahy Masina,

    Mivavaha ho anay.

    Fonenana mamirapiratra,

    Mivavaha ho anay.

    Fonenana natokana ho an’Andriamanitra,

    Mivavaha ho anay.

    Fonenan’ny Avo indrindra,

    Mivavaha ho anay.

    Vonindraozy mahagaga,

    Mivavaha ho anay.

    Zanakavavin’i Siona voafidy,

    Mivavaha ho anay.

    Trano fiarovan’i Davida,

    Mivavaha ho anay.

    Trano fiarovana Ivoara,

    Mivavaha ho anay.

    Trano mimanda,

    Mivavaha ho anay.

    Tempoly Volamena,

    Mivavaha ho anay.

    Fiara velon’ny fanekena,

    Mivavaha ho anay.

    Varavaran’ny Lanitra,

    Mivavaha ho anay.

    Kintana fitarik’andro,

    Mivavaha ho anay.

    Fahasitranan’ny marary,

    Mivavaha ho anay.

    Aron’ny mpanota,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanambitamby ny malahelo,

    Mivavaha ho anay.

    Vonjin’ny Kristianina,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Anjely,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Patriarca,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Mpaminany,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Apostoly,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Martiry,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Kônfesôry,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Virjiny,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Olomasina rehetra,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjaka tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjaka nampiakarina any An-danitra,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Rizery Masina indrindra,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny fianakaviana,

    Mivavaha ho anay.

    Mpanjakan’ny Fiadanana,

    Mivavaha ho anay.

    Reny sady Mpanjakan’ny Karmely,

    Mivavaha ho anay.

    *  Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao, Mamindra fo aminay ry Tompo.

    *  Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao, Henoy ny fangatahanay ry Tompo.

    *  Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao, Ekeo ny fangatahanay ry Tompo.


MISTERIN’NY FAHARIANA
[THE MYSTERY of the CREATION]
( isaky ny Alatsinainy ) / (Monday) :

1.  YHWH: ANDRIAMANITRA nahary ny tany sy ny LANITRA (ΛΟΓΟΣ – VERBUM) tamin’ny alalan’ny teniny sy ny FANAHINY MASINA izay nisonenika teny ambony rano mba hanamasina ny voary rehetra.

  1. YHWH : the FATHER, through the WORD (ΛΟΓΟΣ - VERBUM) [“Let there be”], creates Heaven and Earth and the HOLY SPIRIT, who already presided over the Creation with his Wisdom, hovering over the water which was covering the Earth, sanctifies the Created.


2.  ANDRIAMANITRA nahary ny Olombelona, lahy sy vavy, mitovy endrika aminy.
[GOD creates the Man, male and female, in his own Image.]

3.  ANDRIAMANITRA nampanantena Vehivavy iray izay hanorotoro amin’ny tongony ny lohan’ny menarana izay fahavalon’ny olombelona rehetra.

[GOD, after the original sin, promises the Woman that, through her descent, he will be crushing the serpent’s head, the enemy of mankind.]
 
4.  I Melkisedeka mpisorona nanolotra mofo sy divay ho fisaorana ny Tompo noho ny Fandresen’ny Patriarka Abrahama. (Jen. 14, 18-20).

[Melchizedek, a priest, offers to the Lord bread and wine as a thanksgiving for the victory of the Holy Patriarch Abraham (Gen. 14, 18-20).]
 
5.  Abrahama nampiantrano an’Adriamanitra Trinite tao amin’ireo terebintan’ny Mambre, ary tao no nilazana ny hahaterahan’i Izaaka zanany. (Jen. 18, 1-5).
[Abraham gets the visit of our Lord, the Most Holy Trinity, he recognizes Him and gives Him hospitality at the Oak of Mamre (Gen. 18, 1-15).]


6.  Andriamanitra nanafaka an’i Isaaka tamin’ny fahafatesana, ary nampanatena an’i Abrahama fa ho maro toy ny kintana eny an-danitra ny taranany, (Jen. 22, 17), sady nanao fanekem-pihavanana taminy, ka amin’ny taranany no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany satria nanaiky izay voalazany  (Jen. 22, 18).
[God, according to his Promise to Abraham, liberates Isaac from death (“I will make your descendants as many as the stars of heaven and the grains of sand on the seashore. Your descendants shall gain possession of the gates of their enemies” – Gen. 22,17) and establishes his Covenant with Abraham (“All the nations of the Earth shall bless themselves by your descendants, as a reward for your obedience” – Gen. 22,18).]

 

NY MISTERIN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA
[THE MYSTERY of the POWER of GOD]
( isaky ny Talata ) / (Tuesday) :
 
:

1.  ANDRIAMANITRA nanafaka ny vahoakany voababo tany Ejipta, ary namoaka ny fepetra voalohany momba ny Paka. (Eks. 12, 1-15).
[GOD personally liberates his people from the slavery in Egypt and “perpetually” establishes his Holy First Easter (Ex. 12, 1-15).]

2.  I MOIZY – tandindon’i KRISTY – nampisaraka roa ny ranomasina mena tamin’ny heriny mba hizoran’ny vahoaka voafidy ary nampikatona indray ny rano ho an’ireo fahavalon’ny Israely araka ny voalazan’ny salamo 2 mikasika an’ilay Mesia Mpanjaka hoe : « Mangataha dia omena ho lovanao ny Firenena, ho Fanjakanao ny vazan-tany efatra, hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy » (Sal. 2, 8-9) ary voalazan’ny bokin’ny Apokalipsa ny hoe : «  Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny Firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany » (Ap. 12, 5).
[MOSES – image of CHRIST – hits the Red Sea with his staff for the passage and the Salvation of the Chosen People and, hitting it again, annihilates the enemies of Israel, according to what the Psalm 2 of King-Messiah says on 8-9: “Ask and I will give you the nations for your heritage, the ends of the Earth for your domain. With iron sceptre you will break them, shatter them like potter’s ware” and according to what the Book of Revelation (Apocalypse) says on 12,5: “The Woman brought a Male Child into the world, the Son who was the rule all the nations with iron sceptre and the Child was taken straight up to God and to his Throne”.]

3.  NY HERIN’ANDRIAMANITRA miendrika rahona eo ambony Avana izay eo afovoan’ny vahoaka Israely, ary ao anatiny ao ny Tabernakla masina fonenan’Andriamanitra - izany dia maneho koa ny endriky ny Eokaristia masina ao anatin’ny Tabernakla – ary famantarana telo no hita ao dia ny : Tenin’Andriamanitra izay voasorata sy naloaky ny vavany, ny Tehin’i Moizy izay manambara ny fanafahana tamin’ny Ranomasina mena, ary ny Mana nidina avy any an-danitra izay nanala hanoanana ny vahoaka tany an’Efitra.
[THE POWER OF GOD, in Cloud shape, settles over the Ark, at the centre of the encampment of Israel which has at its centre the Holy Tabernacle, where God inhabits, and into which the Chosen People shall place three signs, that will prefigure the Most Holy Eucharist and the Holy Eucharistic Tabernacle: the Tables of the Law, that is, His Word (Verbum), “written from the God’s finger (therefore a direct emanation of him, like his offspring); the Moses’ staff, the symbol of the power given to him from God, and with which Moses hits the Red Sea; the Manna, which came down from Heaven and nourished the hungry people in the desert.]

4.  ANDRIAMANITRA nifidy an’i Davida ka nanosotra azy ho Mpanjaka sy Mpaminanin’israely, ary nampanntena koa fa tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany.
[GOD chooses David as King and Prophet over Israel and promises to his descendants an Eternal Kingdom.]

5.  JODITA (Jod. 8-16) izay nampitsingidina ny filohan’ny fahavalon’ny vahoaka voafidy tamin’ny hatsaran-tarehiny no nanafaka azy ireo tamin’ny fatorany ; Izy no tandindon’i Masina MARIA mitafy ny masoandro ary volana no eo an-tongony, mifehiloha Kintana 12 ary manosihosy ny lohan’ilay filohan’ny maizina, dia ny bibilava ; ary dia manafaka ireo voafidin’i Kristy tamin’ny fatoran’ilay ratsy.
[JUDITH (Jdt. 8-16), detaching the head of the prince, enemy of the Chosen People and liberating it from slavery, is the image of MARY dressed of Sun with the Moon under her feet and crowned with Twelve Stars, who crushes the head of the prince of darkness, of the “old serpent”, liberating the Chosen of Christ from the slavery of the devil.]

6.  NY HERIN’NY FANAHY MASINA izay nanentana an’i Eleazara ho martiry (2Mak. 6, 18-31) sy nanentana ireo 7 mirahalahy niaraka tamin’ny reniny noho ny firaiketam-pon’izy (2Mak. 7, 1-41) ireo tamin’ny Lalàn’Andriamanitra sy ny Finoana.
[THE POWER OF THE HOLY SPIRIT reveals himself also during the Martyrdom of the Holy Elder Eleazar (2 M. 6, 18-31), of the Holy Brothers Maccabees and of their Holy Mother (2 M. 7, 1-41), so that not be trampled on God’s Law.]



NY MISTERIN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA

( isaky ny Talata ) :

1.  ANDRIAMANITRA nanafaka ny vahoakany voababo tany Ejipta, ary namoaka ny fepetra voalohany momba ny Paka. (Eks. 12, 1-15).

2.  I MOIZY – tandindon’i KRISTY – nampisaraka roa ny ranomasina mena tamin’ny heriny mba hizoran’ny vahoaka voafidy ary nampikatona indray ny rano ho an’ireo fahavalon’ny Israely araka ny voalazan’ny salamo 2 mikasika an’ilay Mesia Mpanjaka hoe : « Mangataha dia omena ho lovanao ny Firenena, ho Fanjakanao ny vazan-tany efatra, hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy » (Sal. 2, 8-9) ary voalazan’ny bokin’ny Apokalipsa ny hoe : «  Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny Firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany » (Ap. 12, 5).

3.  NY HERIN’ANDRIAMANITRA miendrika rahona eo ambony Avana izay eo afovoan’ny vahoaka Israely, ary ao anatiny ao ny Tabernakla masina fonenan’Andriamanitra - izany dia maneho koa ny endriky ny Eokaristia masina ao anatin’ny Tabernakla – ary famantarana telo no hita ao dia ny : Tenin’Andriamanitra izay voasorata sy naloaky ny vavany, ny Tehin’i Moizy izay manambara ny fanafahana tamin’ny Ranomasina mena, ary ny Mana nidina avy any an-danitra izay nanala hanoanana ny vahoaka tany an’Efitra.

4.  ANDRIAMANITRA nifidy an’i Davida ka nanosotra azy ho Mpanjaka sy Mpaminanin’israely, ary nampanntena koa fa tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany.

5.  JODITA (Jod. 8-16) izay nampitsingidina ny filohan’ny fahavalon’ny vahoaka voafidy tamin’ny hatsaran-tarehiny no nanafaka azy ireo tamin’ny fatorany ; Izy no tandindon’i Masina MARIA mitafy ny masoandro ary volana no eo an-tongony, mifehiloha Kintana 12 ary manosihosy ny lohan’ilay filohan’ny maizina, dia ny bibilava ; ary dia manafaka ireo voafidin’i Kristy tamin’ny fatoran’ilay ratsy.

6.  NY HERIN’NY FANAHY MASINA izay nanentana an’i Eleazara ho martiry (2Mak. 6, 18-31) sy nanentana ireo 7 mirahalahy niaraka tamin’ny reniny noho ny firaiketam-pon’izy (2Mak. 7, 1-41) ireo tamin’ny Lalàn’Andriamanitra sy ny Finoana.

TOY IZAO NY FITANISANA AZY

* Aorian’ny Famantaran’ny Hazofijaliana, dia atao ny « Voninahitra anie », sy ny vavaka anankiroa ao amin’ny fanombohana, avy eo dia lazaina ny Mistery izay hatao vao manao ny « Rainay 1 » sy « Arahaba ry Maria 10 » arahina « Voninahitra anie » dia atao indray ny vavaka 2 tamin’ny fanombohana vao lazaina ny Mistery manaraka, dia toy izany hatrany hatrany.

* Mandritra ny fanaovana ny Rainay sy ny Arahaba ry Maria 10, dia atombona tsara ao amin’ny Mistery voalaza ny fo sy ny saina.

Indro àry ny vavaka sy ny Misterin’ny Ropzery masin’i Masina Maria Virjiny araka ny Baiboly:

Famantaran’ny Hazofijaliana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen !

   Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

   Ho soavina mandrakizay anie i Masina Maria Virjiny tsy voakasiky ny fahotana tamin’ny fototra, Renin’Andriamanitra sy Renintsika.
   
   Ry Jesoako ô, avelao ny helokay, arovy amin’ny memin’ny afobe izahay, tariho hankany an-danitra ny Fanahy rehetra, fa indrindra ireo izay mila ny famindram-ponao tokoa.

[Dia lazaina eto ny Mistery]

  Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny Fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotany, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha any amin’ny ratsy. Amen. (im-polo).

   Arahaba ry Maria feno hasoavana, ny Tompo ao aminao, nosoavina noho ny vehivavy rehetra Ianao, ary nosoavina i jesoa naloaky ny kibonao. Masina Maria Renin’Andriamanitra mivavaha ho any mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay. Amen. (im-polo).

NY MISTERIN4NY FAHANGINAN’ANDRIAMANITRA / THE MYSTERIES OF THE SILENCE OF GOD
Fahanginana maneho Fitiavana sy Famindram-po
OPEROSE SILENCE OF LOVE AND MERCY
( isaky ny Sabotsy ) / (Saturday):

1.  I KRISTY Tao anelanelan’ny andron’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia naneho ny fahanginan’Andriamanitra ka nanafaka ny fanahin’ny olomarina mba hahazo toerana any an-danitra.
 CHRIST, on the day between his Death and his Resurrection, the day of the “Divine Silence”, liberates the souls of the Just and immediately prepares a place in Heaven, for them and for the Just to come.

2.  I MARIA, noho ny Fitiavan-dReny sady amin’ny maha Renin’ny Fiangonana rehetra azy, na dia teo aza ny fanaintainana teny Kalvery toa sabatra nandefona ny fony, dia nandray teo akaikiny, nankahery, ary niray fo tsy tamin’i Joany irery ihany fa tamin’i Piera sy ireo Apostoly hafa ihany koa izay niarak’ory sy nitebiteby taminy noho ny henatra sy fanafintohinan’ny Hazofijaliana.
MARY with a Mother’s Love and Mother of all the Church, despite the Sorrow of the Calvary and the “sword” that had pierced her Heart on the Calvary, gives hospitality not only to John but also to Peter and to the other Apostles, regretful, grieved, confused and deranged by the “scandal” of the Cross, and She heartens them and keeps them joined.

3.  Ny Famindram-pon’ny RAY dia tsy toy ny an’ny olombelona, fa ny Zanany mihitsy no nirahiny, ka ny Ra izay nalatsak’ilay Mesia Zanany no famonjena ny olombelona rehetra izay notiaviny tokoa noho ny nahariany azy hitovy endrika aminy.

The Mercy of the FATHER does not ascribe, as justice, to mankind the shed Blood and the broken Life of the Child-Messiah, but he accepts his total Offer for the total ransom of the man, loved by God that He so much that He even created him in his own Image and sent his One Childe for our Salvation.
 
4.  Toy ny VOA latsaka an-tany ka maty ny fiainan’I Kristy natao Sorona sy ny Rany latsaka teo amin’ny Kalvery; izay no nampitsimoka izao Fahanginan’Andriamanitra izao ho fiainam-baovao tsy ho levona ho an’ny olona izay mandray azy araka ny Fon’I Kristy.

The SEED, who fell into Earth and died, the sacrificed Life of Christ and his Blood shed on the Calvary, is germinating, in this day of the “Divine Silence”, a New Life, indestructible, for them who shall welcome it in accordance to Christ’s Heart.

5.  Ny FANAY MASINA, Tao anatin’ny Fahanginana tanteraka ny Sabotsy masina no nanamboatra sy nampifanaraka tanteraka ny fon’ny olona izay tia an’Andriamanitra handray izay zavatra sarotra inoana amin’ny maha olombelona ny filazana ny Fitsanganan-ko velona. Satria Izy Jesoa Kristy “tamin’ny voalohany dia Teny, ary ny Teny dia Tao amin’Andriamanitra sady koa ny Teny dia Andriamanitra . Tao amin’andramanitra tamin’ny voalohany izy : tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy izy tsy nisy hary ny zavatra rehetra .Tao aminy ny fiainana ary ny fiainana no fahazavan’ny olona …..Izy no Alfa sy Omega, Izy ilay Tsitoha …. Izy no Zanak’Ondry natao sorona hatrizay ka ho mandrakizay ao ambonin’ny otelin’ny lanitra sady izy irery ihany koa no mendrika handray sy hanokatra ny boky sy ireo fitombony fito ary hanolotra azy amin’ny Ray ho voninahitra mandrikizay ho an’Andriamanitra, ho an’ireo Anjeliny sy ireo Olomasiny”.
The HOLY SPIRIT, in the total Silence of the Saturday, is preparing and moulding the minds and hearts of the men, who love God, to accept the <incredible> (humanly) Announcement of the Resurrection, because He, Jesus Christ, “In the beginning was the Word: the Word was with God and the Word was God. He was with God in the beginning. Through Him all things came be, not one thing had its being but through Him. All that came to be had life in Him and that Life was the Light of men … He is the Alpha and the Omega, the Almighty … He is the sacrificed Lamb, perpetually present on the Altar of the Heaven and He one is worthy to take and open the Book and his Seven Seals and to him consign to the Father for the Eternal Glory of God, of his Angels and his Saints”.


Lalan'ny Hazofijaliana / The Stations of the Cross

(Version B)
Fijanonana 1 : Ny olombelona manameloka an'Andriamanitra :
Izany no FIHAONAN'ny mpanota amin'ny tsy manantsiny!
Impiry moa no helohin'ny maty eritreritra ny tsy manantsiny?
Fijanonana II : Andriamanitra mandray an-tsoroka ny sazim-pahotan'ny olombelona noho ny fitiavana (satria araka ny fikarohana sasany dia ny hazo mitsivalana ihany no nentin'i Jesoa).
Izany no FIHAONAN'ny Hasambarana sy ny fijaliana! Manambara ny porofom-pitiavana entin'i Kristy hamonjena antsika.
Fijanonana III : i Jesoa ilay tompon'ny Fanjakana sy ny hery mitrosona amin'ny tany.
Izany no FIHAONAN'ny hery sy ny fahosana Mampianatra antsika ny fanetren-tena.
Fijanonana IV : Maria miombona alahelo ami'i Jesoa.
Izany no FIHAONAN'ny Reny sy ny Zanaka.
Tsy mahafoana ny rohy ihavanana ny fijaliana sy ny fahoriana. Firifiry anefa ny mpianaka tsy mifampiteny intsony noho ny zava-mitranga izay heverina ho fatiantoka na henatra amin'ny fiaraha-monina!
Fijanonana V : ny olombelona mitondra tsy fidiny ny fijaliana
Izany no FIHAONAN'ny Avotana (i Simona) sy ny Mpanavotra (Jesoa).
Efa mandray anjara amin'ny asam-panavotan'i Kristy ireo nahazo ny famonjeny. Voaantso handray anjara amin'ny fijaliany isika mba hahatsapantsika ny fitiavany! Ny hamafin'izay niaretany ho antsika.
Fijanonana VI : Veronika mamafa ny tavan'i Jesoa
Io no FIHAONAN'ny Voaary endrik'Andriamanitra (Veronika = sary tsy misy osoka) sy ny Teny nahariana ny Tontolo (Jesoa).
Impiry no omen'i Jesoa "occasion" isika hizaha ny endriny ao amin'ny madinika sy ny mahantra! Kanefa na ilay endrik'Andriamanitra nahariana antsika aza tsy tandrovintsika akory!
Fijanonana VII : Ny halemena mianjady amin'ny Mpanavotra.
Nahoana no averina indray ity fijanonana ity? Satria MIHAONA ao amintsika matetika ny avonavona sy ny tsy fahombiazana, izay mazàna mahatonga antsika tsy hitondra tena intsony araka ny hitsi-po fa ny hitsi-piainana, tsy araka ny evanjely fa araka ny masom-bahoaka!
Fijanonana VIII : Ny sentosenton-behivavy tia vavaka mitsetra sy mangoraka an'i Jesoa!
Izany no FIHAONAN'ny sento sy ny tolona, ny zo sy ny andraikitra
Impiry isika no mitsetra olona mijaly saingy mafy fo velona hanampy azy hiala amin'ny fijaliany! Matetika dia isika ihany no fitaovana hanatanterahan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika!
Fijanonana IX : Ny harerahana mianjady amin'ny Zanak'Andriamanitra.
Mbola miverina fanintelony ny fijalian'i Jesoa. Telo manambara ny zavatry ny lanitra! Fa manambara ihany koa ny hafenoana. Nahoana no averimberina tahaka izany ity FIHAONAN'ny hery sy ny fahosana ity?
Satria tsy afaka ny hiambo hahavita na hanavo-tena isika. Raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika.
Fijanonana X : Jesoa aboridana
Io no FIHAONAN'i Adama sy ilay Adama vaovao = Ilay henatra nandroahana an'i Adama sy Eva tao am-paradisa honeran'i Jesoa.
"Nahoana no miafina ianao? Satria mitanjaka aho." I Kristy anefa dia nanaiky hianjahanja eo imason'ny tontolo, eo imason'olom-pady, mba hanokatra indray ny varavaran'ny Paradisa ho antsika.
Fijanonana XI : Jesoa asandratra eo ambony hazofijaliana
Izany no FIHAONAN'ny Tany sy ny lanitra = Fihaonan'ny Tantanana sy ny fantsika hampikambana an'i Jesoa sy ny Hazo ary Jesoa asandratra eo ambony hazofijaliana.
Rehefa tafasandratra hiala amin'ny tany aho, dia hitarika ny olon-drehetra hanatòna ahy! Indrisy anefa, mazàna tsy manatona (s'approcher) an'i Jesoa no ataontsika fa ny manantona (pendre) ny hazofijaliany ihany na eny an-tratra na eny amin'ny sofina na ao an-trano! Misy heviny ho antsika ve ny lakroà!!!
Fijanonana XII : I Jesoa mametraka ny ainy eo am-pelatanan’ny Ray :
Izany no FIHAONAN'ny Fiainana sy ny Fahafatesana!
Firifiry olona mihevitra fa ny fahafatesana no faran’ny fiainana ary manao izay tratry ny saina hitadiavana ny odifaty
I Jesoa ilay Tompon'ny aina, mametraka ny fanahiny eo am-pelatanan'ny Ray
Fijanonana XIII : Ny fatin’i Jesoa eo ampofoan’ny reniny :
izany no FIHAONAN'ny Famoizam-po sy ny fanantenana!
Tsy i Kristy irery no nijaly fa ireo rehetra an’i Kristy. Tsy manafoana ny fijaliana ny fanaraha-dia Azy fa fiaraha-mitondra ny Jioga isan’andro isan’andro miaraka aminy!
Fijanonana XIV : Fihaonan'ny Hazavana amin'ny haizina.
Ny fasam-bao mandray ilay Tompon’ny aina :
izany no FIHAONAN'ny haizina sy ny Hazavana!
Efa nosantarin’i Jesoa ny farahidin’ny fijaliana! “raha tsy maty ny voa afafy…”
Ireo fihaonana ireo dia sedraintsika eo amin'ny andavanandrom-piainana avokoa!

Litanian'ny Fo Masin'i Jesoa / Litany
(Version B)

Tompo ô,
mamindrà fo aminay,

Kristy ô,
mamindrà fo aminay,

Tompo ô,
henoy izahay,

Kristy ô,
ekeo ny fangatahanay,

Andiamanitra Ray any an-danitra,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Zanaka mpanavotra ny olona,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Fanahy Masina,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra tokana olona telo,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Zanaky ny Ray mandrakazay ô,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’ny Reny Virjiny,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay miray tena amin’ny Tenin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, be fahandrianana indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Tempoly masin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay itoeran’ny Avo indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Tranon’Andriamanitra sy varavaran’ny lanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mirehi-pitiavana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, henika fahamarinana sy fitiavana an’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, feno fahazavam-po sy fitiavana anay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay endrehin’ny hatsaram-panahy rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mendrika ankalazaina indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mpanjaka sy mpitarika ny fo rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, fitoeran’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahaizana rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay isian’ny fomban’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nankasitrahan’ny Ray indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay iavian’ny soa rehetra ho anay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nirian’ny Patriarka sy Mpaminany,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, be fandeferana sy famindram-po,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mpanome be izay miantso Anao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fiainana sy ny fahamasinana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, onitry ny fahotanay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, tototry ny fanevatevana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, torotoro noho ny helokay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, nanaiky ambara-pahafaty,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, notrebonin’ny lefona,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fanalana alahelo rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nampiaina anay sy nanangana anay ho velona,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay mampiadana anay sy mampihavana anay amin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, sorona ho an’ny mpanota,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, vonjin’izay miankina aminao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, fanantenan’izay miala aina ao aminao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, hafalian’ny Olomasina rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
hadinoy ny fahotanay, ry Tompo.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.

Mp. / Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po.

Val. / Ataovy manahaka ny Fonao ny fonay.

Aoka isika hivavaka

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, mba tsinjovy ny Fon’ny Zanakao malalanao sy ny fiderana ary ny fanonerana atolony Anao ho anay mpanota.

Aoka hampionona ny hatezeranao iznay ary avelao ny helok’izay mangataka ny famindram-ponao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanakao. Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Fivavahana eo anatrehan'ny sarin'i Jesoa Kristy  mifantsika
/ Prayer Before a Crucifix

Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra,
inty aho mandohalika sy miankohoka eto anatrehanao,
ary milelaka ny faladihanao sy mitalaho mafy aminao : mba velomy sy ahomboy mafy ao am-poko ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ary ny fanenenana marina amin'ny ratsy rehetra nataoko sy ny fikasana mafy tsy hanao azy intsony, fa mitsetra sy malahelo tokoa aho izao mieritreritra sy mibanjina ny fery diminao sady mahatsiaro ireto teny naloakan'ny vavan'i Davida mpaminany ireto hoe: "V
oaloakan'izy ireo ny tanako sy ny tongotro ary voaisany ny taolako rehetra."


Fiekem-pinoana / The Nicene Creed
(mitsangana)

- Izaho mino an'Andriamanitra tokana,

- Ray mahefa ny zavatra rehetra, nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita.

- Izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka lahi­tokan'Andriamanitra, teraky ny Ray talohan'ny taona rehetra:

- Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, fahazavana avy amin'ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin' Andriamanitra marina,

- nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

- Isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra.

- Ary naka nofo tamin'i Maria Virjiny Izy, noho ny herin'ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona;

- nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana ho antsika indray koa, tamin'ny andron'i Pôntsy Pilaty, nijaly ary nalevina;

- nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan'ny Ray;

- mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

- Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo Loharanon'aina, avy amin'ny Ray sy ny Zanaka;

- tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.

- Izaho mino ny Eglizy, iray, masina, katôlika, apôstôlika.

- Izaho mankatò ny batemy tokana ho fanalana ny fahotana.

- Ary izaho miandry ny hitsanganan'ny maty sy ny fiainan-ko avy. - Amen.


Fiekem-pinoana / The Nicene Creed 
(Version B)

Izaho mino an'Andriamanitra tokana,
Ray mahefa ny zavatra rehetra,
nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita maso na ny tsy hita.
Izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka
lahi tokan'Andriamanitra, teraky ny Ray talohan'ny taona rehetra :
Andriamanitra avy amin'Andriamanitra,
Fahazavana avy amin'ny Fahazavana,
Andriamanitra marina avy amin' Andriamanitra marina ;
nateraka Izy fa tsy natao,
iray fomba amin'ny Ray,
ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.
Isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra.
Ary naka nofo tamin'i Maria Virjiny Izy,
noho ny herin'ny Fanahy Masina,
ka tonga olombelona ;
nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana ho antsika indray koa, tamin'ny andron'i Pôntsy Pilaty, nijaly ary nalevina ;
nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo,
araka ny voalazan'ny Soratra Masina,
niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan'ny Ray ;
mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Izaho mino ny Fanahy Masina,
Tompo Loharanon'aina,
avy amin'ny Ray sy ny Zanaka;
tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.
Izaho mino ny Eglizy, iray, masina, katôlika, apôstôlika.
Izaho mankatò ny batemy tokana ho fanalana ny fahotana.
Ary izaho miandry ny hitsanganan'ny maty
sy ny fiainan-ko avy.
Amen.

Creative Commons License
The contents of this webpage are licensed under a Creative Commons Attribution 3.0 License.
Valid HTML 4.01 Transitional
(this is the bottom of page)